Nanaovan’ny olona angaredona teny an-tsena ilay mpitarika fivavahana ao amin’ny fiangonana iray ao Bejofo-Mahitsy. Ny anton’izany dia noho ny fahatrarana azy nampirafy tamin’ny vehivavy iray izay monina ao amin’io tanàna io ihany. Ilay rangahy anefa, efa manana vady aman-janaka, raha araka ny fitantaran’ny vavolombelona izay monina ao an-toerana ihany. Samy nanala ny fony teo ny olona izay tezitra mafy noho ny fitondran-tena izay mifanohitra amin’ny maha-mpitarika fiangonana ity olona ity. Efa ela izy no nisy nahatsikaritra ary miovaova hatrany ny olona miaraka aminy, raha araka ny fanazavan’ny olona ao an-toerana ihany. Tamin’ity anefa no tena hita nibaribary ka nitarika ny fikasihan-tànana azy. Nisy nahita ihany na dia efa maizimaizina aza no nisehoan’ilay raharaha. Nangataka avy hatrany ny mpiangona ny amin’ny hanalàna azy eo amin’ny toerana. Raha ny fantatra omaly dia niakatra eo anivon’ny foiben’ilay fiangonana ny fitarainana ary nampiantsoina avy hatrany ilay olona voakasika, raha araka ny loharanom-baovao tao Bejofo-Mahitsy. Tsy nisy tsy nahafantatra ny zava-nitranga ny olona tao an-tanàna omaly satria vetivety dia niodina ny feo.
D.R