- Publicité -
mercredi, septembre 24, 2025
AccueilFaits-DiversBekapila-Maevatanàna : Raim-pianakaviana nokapain’ny dahalo tamin’ny famaky

Bekapila-Maevatanàna : Raim-pianakaviana nokapain’ny dahalo tamin’ny famaky

Dimy lahy nitondra basim-borona roa no nanafika ny raim-pianakaviana iray tao Bekapila, fokontany Maevarano, Kaominina Bemokotrà, disitrikan’i Maevatanàna, ny asabotsy 07 oktobra lasa teo, tokony ho tamin’ny 09 ora alina. Araka ny fanazavana azo avy amin’ny sefom-pokontany Atoa Ramarson, lasan’ireo mpanafika tamin’izany ny omby efatra. Voafira famaky teo amin’ny lohany ilay rangahy, ka naratra. Nalefa tao amin’ny hopitalibe Morafenokely, Maevatanàna, ary nahazo fizahana izy, efa nahazo fitsboana ihany koa, ny Alatsinainy teo. Ny fokonolona moa nanao ny fanarahan-dia, ka tafaverina ny omby roa tany atsimo, Tsaratanàna kely, fa ireo dahalo kosa dia tafaporitsaka niaraka amin’ny omby roa ambiny nangalariny.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici