- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversBekily : Asan-dahalo : tompon’omby iray sy dahalo roa maty

Bekily : Asan-dahalo : tompon’omby iray sy dahalo roa maty

Tsy mitsitsitsy. « Chef quartier » sady tompon’omby iray no maty voatifitry nandritra ny fanafihan-dahalo nitranga tany amin’iny distrikan’i Bekily iny ny talata alina teo. Nanara-dia ny zandary avy eo ka raikitra ny fifandonana teo amin’ireo mpanafika sy ireo mpanenjika ka nisy roa tamin’ireo dahalo indray no lavo.

Araka ny fampitam-baovao azo dia nitrangana fanafihan-dahalo niharo vono olona tao amin’ny fokontany Belamonty, kaominina Tanandava, distrikan’i Bekily ny alin’ny talata hifoha alarobia teo, tokony ho tamin’ny 10 ora tany ho any. Andian-dahalo mirongo fiadiana no tonga nanafika tao amin’io tanana io, ary tsy nisalasala akory nitifitra izay rehetra nanelingelina ny asa ratsy nataon’izy ireo. Vokany, tompon’omby iray no namoy ny ainy vokatry ny tifitra nahazo azy ary omby miisa eo amin’ny 46 isa teo no lasa.

Nandray ny andraikiny avy hatrany ireo zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Beraketa, raha nahare io fanafihana io ary nidina nanara-dia ireo olon-dratsy. Nampian’ireo mpitandro filaminana voaofana manokana avy ao amin’ny Usad moa izy ireo tamin’izany. Teo amin’ny kizo iray, tao amin’ny fokontany Benato, kaominina Beraketa, no nifanehatra ireo andian-dahalo sy ireo mpanara-dia. Raikitra teo ny fifandonana ka tamin’izay indray no nahalavo ireo dahalo roa lahy. Ireo namany hafa kosa dia vaky nandositra rehefa hitan’izy ireo fa tsy resy tosika iretsy mpitandro filaminana, namela ireo omby nangalarin’izy ireo teo. Azo avokoa araka izany ireo omby ary efa naverina tamin’ny tompony. Mbola mitohy moa ny fikarohana ireo dahalo tafatsoaka.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici