- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversBekily – Hala-jaza : Nosamborin’ny zandary ny ben’ny tanàn’i Behazomanga.

Bekily – Hala-jaza : Nosamborin’ny zandary ny ben’ny tanàn’i Behazomanga.

Nisahotaka ny vahoakan’i Behazomanga, kaominina ambanivohitra iray any amin’ny distrikan’i Bekily, fa nosamborin’ny zandary ny ben’ny tanànan’izy ireo, ny alarobia lasa teo, fa hoe tsy nandray andraikitra nanoloana ny herisetra nandratran’ny fokonolona fianakaviana mpivaro- mandeha iray voaendrikendrika ho mpangala-jaza. Raha ny vaovao voaray dia sendra nandalo tao Behazomanga niaraka tamin’ny fiara nitondra azy ireto fianakaviana mpitety tsena, ary nijanona teo amoron-dàlana hitady olona. Niangavy ankizy izy ireo hanoro ny toerana misy an’ilay tadiavina. Nisy nahatsikaritra izany ka raikitra ny « hazolava », nihorakoraka fa misy mpangala-jaza. Novonoin’ny fokonoloana avy hatrany ireo voalaza fa mpangala-jaza, ka nisy ny torana tsy nahatsiaro tena. Tsy nijanona teo amin’ny fandratrana fa nitaky vola iray tapitrisa Ariary koa ny olona tao amin’ilay toerana. Tsy nanana afa-tsy dimy hetsy Ariary ireto fianakaviana voaendrikendika, ary mbola noterena hanao taratasy fitanana an-tsoratra indray izy ireo hanaiky fa mpangala-jaza. Tsy nanaiky hanao sonia izany taratasy izany anefa ireo voaendrikendrika. Tamin’izay no tonga ny zandary, ary niafara tamin’ny fisamborana ny ben’ny tanàna.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici