Rehefa nokarohana sy natao hazalambo nandritra ny andro maromaro, voasambotry ny Zandary tany Bekily, Faritra Androy, ny lehilahy iray, izay lehiben-dahalo mitam-basy nampihorohoro tany amin’ny Faritra Sava. Taorian’izay, naverina avy hatrany tany Sambava nofotorana lalina ity lehiben-dahalo ikoizana nitam-piadiana ity, ary omaly izy no natolotra ny Fampanoavana tao Antalaha. Raha ny vaovao voaray, ity lehiben-dahalo azo sambo-belona ity no atidoha nikotrika fanafihana mpivarotra tany Andranomifototra, Kaominina ambanivohitra Maroambihy, Distrikan’i Sambava, ny 14 desambra lasa teo ; izay nahaverezana vola 20 tapitrisa Ariary eo. Naratra mafy vokatry ny fifandonana tamin’ireo olon-dratsy kosa ny mpivady tompon-trano. Tamin’io andro io ihany, vokatry ny fanarahan-dia nataon’ny Fokonolona, dahalo telo no tratra, ka matin’ny fitsaram-bahoaka. Ny efatra kosa voasambotry ny Zandary Sambava, ary ny iray izay nitondra basy niaraka tamin’ny volabe nitsoaka, izay lehiben’izy ireo, izao tratra farany tany Bekily io. Raha ny fantatra, mody nivarotra akoho avy any Ambilobe nankany amin’ny Faritra Sava ireto andian-dahalo ireto, ka rehefa misy ireo tompon-tanàna nanaiky niara-niasa tamin’izy ireo, dia roso avy hatrany ny asa fandrobana sy fampihorohoroana.
Eric Manitrisa