Nitrangana fanafihan-dahalo nahafatesana olona tsy manan-tsiny indray, tany amin’ny Distrikan’i Bekily, Faritra Androy, afak’omaly, tao Satra any amin’ny Kaominina ambanivohitra Tanandava, ka omby 59 no lasan’ny folo lahy nitam-piadiana, ary mpiandry vala iray maty voatifitra nandritra ny fandrobana. Raha vao nahazo antso nahakasika ity fanafihana ity ny Zandary avy ao Bekily notarihan’ny Lietnà lefitry ny kaomandin’ny Compagnie, dia nidina tany an-toerana avy hatrany niaraka tamin’ireo Zandary avy ao Beraketa sy ireo Zandary Mpiana-draharaha (74° Cours) avy ao amin’ny CSAO Imanombo ; izay nanao fampiharana avy hatrany. Tao anaty fanarahan-dia, nifanehitra tao amin’ny kizon’ Ampandrandava any amin’ny Kaominina ambanivohitry Beraketa ny mpitandro filaminana sy ireo dahalo, ka raikitra ny fifampitifirana. Resy tosika ireo malaso ka navotsotr’izy ireo ny omby halatra, izay efa tafaverina tamin’ny tompony ny 56 , raha maty voatifitra kosa ny telo. Karohina fatratra atao hazalambo kosa hatramin’izao ireo dahalo nandositra.
Eric Manitrisa