Araka ny angom-baovao dia nitranga izany raha nandeha nanatrika ilay fihaonam-be na « colloque » hamahana ny olona amin’ny tsy fisian-drano any Atsimo, natao tany Tolagnaro ny faran’ny herinandro lasa teo, ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena. Ankizy nitondra bisikileta nandeha mafy no voafaokan’ny fiaran’ny Minisitry ny Fiaraovam-pirenena tao Bekily. Voalaza anefa fa tsy tao anatin’io fiara io ny Minisitra fa efa tany Tolgnaro. Ny fitaratra fijerena any aorinan’ny fiara ireny (retroviseur) no nandona ity ankizilahy 14 taona ity. Nentin’ny mpamily namonjy hôpitaly avy hatrany ilay ankizy. Ity mpamily ity izay niantoka ny fitsaboana sady nanome ny laharan’ny findainy raha toa ka misy ilana azy. Nony hariva anefa ny andro, dia naharay antso ilay mpamily nilaza fa maty ilay ankizy. Manoloana izany dia nandray ny andraikiny ny Tafika Malagasy ka nanao ny fombafomba rehetra tsy maintsy atao rehefa misy fahafatesana any amin’iny faritra iny. Isan’izany ny famangiana ny fianakaviana nidonam-pahoriana sy ny famonoana omby.
T.M.