Nitrangana fanafihan-dahalo mahery vaika indray tao amin’ny kaominina Beraketa, distrikan’i Bekily ny talata atoandro lasa teo. Olona roa tao amin’ny tanana antsoina hoe Antsarety, fokontany Ampandrandava no lasan’ireo dahalo nataon’izy ireo takalon’aina tamin’izany. Vao nahare io fanafihana miharo fakàna an-keriny io moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana tany an-toerana dia niroso avy hatrany tamin’ny fanarahan-dia sy ny fanenjehana. Fantatra mantsy, hoy tati-baovao avy amin’ny zandary fa nihazo an’Andriry iny ireo olon-dratsy. « Teo amin’ny toerana atao hoe Ambatobe Andriry no nifandona ireo dahalo miaraka amin’ny takalon’aina akilany sy ny Zandary miaraka amin’ireo fokonolona andaniny », hoy hatrany ny fampitam-baovao azo. Na dia teo aza anefa ny tifitra variraraka nasetr’ireo malaso dia telo tamin’izy ireo no lavon’ny balan’ny zandary noho ny fahazai-manaon’izy ireo sy ny fanazaran-tena matotra. Avotra ihany koa tao anatin’izany ireo olona roa teny am-pelan-tanan’ireo dahalo. Marihana hoy ny hatrany ny vaovao fa tsy nisy naninona ireo avy aty amin’ny mpitandro filaminana sy ireo fokonolona mpanara-dia. Hatramin’ny omaly moa dia fantatra fa mbola misy dahalo roa tafatsoaka, hifanenjehan’ireo zandary sy karohina fatratra atao hazalambo any an-toerana.
m.L