- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversBekily : Omby 119 norobain’ny 60 lahy nitam-basy

Bekily : Omby 119 norobain’ny 60 lahy nitam-basy

Taorian’ny trangana halatr’omby niseho tany Ambararata Andriambola, any amin’ny Kaominina ambanivohitr’Ambahita, Distrikan’i Bekily, Faritra Androy, ny harivan’ny talata teo, tokony ho tamin’ny fito ora, dia omby  119 sy ondry dimy no norobain’ny 60 lahy nitondra basim-borona. Raha  vantany vao nahare izany ny zandary avy ao amin’ny « Groupement Androy », dia nanetsika avy hatrany ny « 1ère section USAD » izay efa napetraka mialoha tao Isoanala mba hisakana ny kizo tsy maintsy handalovan’ireo dahalo. Afak’omaly naraina tokony ho tamin’ny fito ora, nifanena tao amin’ny kizo Antsomontsoy, Kaominina ambanivohitra Isoanala, Distrikan’i Betroka ireo dahalo nitondra ny omby sy ny zandary USAD niampy ny zandary CSAO Imanombo Bekily, ka raikitra ny fifandonana. Resy tosika ireo dahalo ka nilaozan’izy ireo teo ny omby izay nentiny, izay efa tafaverina soamanatsara tamin’ny tompony ankehitriny. Araka ny tati-baovao voaray, dia tsy nisy naratra ny mpitandro filaminana sy ny Fokonolona nanara-dia, fa ireo dahalo kosa nisy maty voatifitra sy naratra, saingy nentin’ ireo namany nitsoaka tany anaty ala ny razana sy ireo naratra.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici