- Publicité -
lundi, juillet 14, 2025
AccueilFaits-DiversBekily : Omby 80 isa lasan’ny dahalo

Bekily : Omby 80 isa lasan’ny dahalo

Nitrangana fanafihan-dahalo nahery vaika indray tao an-tampon-tanànan’i Bekily, Faritra Androy, afak’omaly alina, tokony tamin’ny 11 ora sy sasany, ka omby miisa 80 no lasan’ny malaso nitam-piadiana. Tao anaty fanarahan-dia, dahalo iray no maty voatifitry ny miaramila. Hatramin’ny omaly, ora nanoratana ny lahatsoratra, dia mbola nitohy hatrany ny fanarahan-dia nataon’ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona an’ireo mpangalatra omby. Araka ny tati-baovao voaray, raha vao niditra ny tanàna ireo mpanani-bohitra, dia nanapoaka basy nentina nampihorohoroana ny mponina. Noho ny tahotra, dia samy nifitsaka tao an-tranony avy ny olona, ka niliba ireo dahalo nandraoka ny omby tiany. Efa dify somary lavitra ny tanàna ireo malaso vao sahy niantso mpitandro filaminana ny tompon’omby lasibatra. Manoloana ny firongatry ny asan-dahalo any amin’ity distrika saro-dalana ity, dia tsy matory an-trano intsony ny ankamaroan’ny mponina ambanivohitra, fa miafina any anaty ala amin’ny alina, ka mampihena ny herin’ny dinam-pokonolona any an-toerana izany noho ny tahotry ny valifaty.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici