- Publicité SW45 -
samedi, avril 27, 2024
AccueilFaits-DiversBekily : Zaza 5 taona naolan’ny dahalo imason-dreniny

Bekily : Zaza 5 taona naolan’ny dahalo imason-dreniny

Zava-doza ary tsy mifanditrovana ny dahalo amin’izao. Tany Bekily dia zaza dimy taona no saika maty naolan’ny malaso teo imason-dreniny. Tezitra ireo olon-dratsy satria tsy azon’izy ireo ny vola  aman-tapitrisa tao amin’ilay tokantrano notafihany, satria mbola tsy voarainy tompon-trano ny vidin’omby. Tezitra ireo jiolahy ka ilay zaza tsy manan-tsiny no nanamparana ny haromotany novetavetaina teo imason-dreniny. Rehefa vita ny nataon’ny dahalo dia navelany hisandrahaka teo ity zaza. Ny teo amin’ny manodidina tsy nisy sahy nivoaka, satria nitondra basy mahery vaika ireo malaso. Noho ny tahotra dia nitsoa-ponenana ny fianakavian’ny niharam-boina, hoy ny loharanom-baovao voaray. Tsy vitan’ny mangalatra omby intsony ny dahalo any atsimo fa mamono sy manolana. Mandry an-driranantsy ny mponina ka hanaovana antso avo amin’ny amin’ny mpitondra ankehitriny ny hanafongorana an’ireo, hoy ny ben’ny tanàna iray any amin’ity distrika ity.

Manitrisa

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser