- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversBekipay Morombe : Mirongatra ny tazomahery, ankizy 18 maty tao anatin’ny...

Bekipay Morombe : Mirongatra ny tazomahery, ankizy 18 maty tao anatin’ny 20 andro

Tao anatin’ny 20 andro, ankizy 18 no matin’ny aretina hafahafa tsy hay ho tazomahery, antsoin’ny mponina any an-toerana hoe : « Bakabaka », any amin’ny tanànan’i Bekopay, kaominina ambanivohitry Befandriana Atsimo, distrikan’i Morombe. Toy izao ny soritr’aretina, raha ny voalazan’ Atoa Jonastin Razafindratsitoagny, mpandraharaha ara-toekarena zanaky ny faritra, nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly naraina : mafana hoditra ny zaza, mandoha sy mivalana avy eo. Roa andro aorian’io dia maty. Afak’omaly, raha ny fanazavany hatrany, dia zaza roa tao amin’ity tanàna ity no namoy ny ainy (6 sy 10 taona). Rehefa mihinana voatango sy katsaka (sakafo misy any an-toerana amin’izao) ny marary, dia mihombo ny aretina.

Kaominina maromaro lasibatra. « Tsy maintsy entina any Befandriana Atsimo ny marary, satria mikatona ny CSB I ao Bekipay. Misy ny maty eny an-dàlana », hoy hatrany ity mpandraharaha ity, manaitra ny sain’ny tompon’andraikitra hijery akaiky ny zava-misy. Raha ny vaovao voaray : kaominina maromaro any amin’ny distrikan’i Morombe no ahitana ity aretina hafahafa ity, toy ny ao Tanimeva, Ambahikily, sns. Nisy trangan’aretina toy izao ihany koa tao Ankililoaka Toliara II sy tany Mahaboboka Sakaraha, namoizana ain’olona hatrany.
Eric man

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser