Maty voatifitry ny Zandary nandritra fifandonana. Efa maina ny tany no ritra ny ranon’Ikopa sy Betsiboka, dia malalaka ny lalan’ireo malaso manao fanafihana sy mitondra omby halatra avy nangalarina, any ka tonga amin’ilay fiteny manao hoe: zatra ny lalan-dririna, ka fahavaratra no manao hitsin-dalana, na dia efa mahafaty aza mbola hiroboahana ihany. Raha hojerena sy hotantaraina tokoa ny zava-nitranga dia ny alin’ny alatsinainy faha 26 aogositra taona 2024 teo, tokony tamin’ny sivy ora alina tany ho any no nampandre ny Zandary miasa ao amin’ny Poste fixe Bevilany, ireo tanora mpilatsaka an-tsitrapo miady amin’ny asan-dahalo fantatra amin’ny fiantso hoe: » Voromahery dina, » izay miasa manao fiandrasana tanàna ao Bekipoly/Antanambao, any amin’ny kaominina ambanivohitra Tsararano, fa misy andian-dahalo maromaro tsy fantatra no mirongo basy. Rehefa nahare izany ny lehiben’ny zana-tobim-paritran’ny Zandary vonjimaika ao Bevilany, tonga dia namory ireo vatan-dehilahy nalaky no nanao fisakanana ny kizo mety hizoran’ireo malaso, tokony tamin’ny 12 ora mahery 10 minitra teo, ny alin’io ihany. Efa tsara ambiny moa ny mpitandro ny filaminana sy ny fokon’olona. Tampoko teo anefa dia nahatazana ireo jiolahy niisa 30 lahy ireto farany, sady nanome teny fampitandremana, saingy nitifitra avy hatrany ny jiolahy, rehefa naheno ny feo fampijanona azy ireo. Tamin’izay indrindra no voatery namaly tifitra ny Zandary, ka raikitra ny fifampitifirana. Vokany: Dahalo iray no maty voatifitra niparitaka atidoha, raha nilefa tsy fantatra toerana nandosirana kosa ireo malaso namany. Tsara ny mampahafantatra fa tsy nisy naratra na maty ireo Zandary sy ny vatan-dehilahy nandritra ny fifandonana naharitra antsasak’adiny teo ho eo. Ny vaovao nangonona ihany koa no nahalalana fa zanak’olona mipetraka any Antanibaribe ity dahalo namoy ny ainy ity. Mitohy hatrany ny fikarohana ataon’ny Zandary ho an’ireo malaso tafaporitsaka tamin’ny fifanjevona.
Ratantely