Roapolo taona ny zokiny ary 17 taona ny zandriny. Telo lahy, mpanendaka raindahiny, indray no voasambotry ny pôlisy tetsy amin’ny tetezan’i Bekiraro ny alahady teo. Manampy isa ireo efa voasambotra tany amin’ny toeran-kafa Miroso tsikelikely amin’ny fanaovana hazalambo ireo tontakely, mampitondra faisana ny eto an-drenivohitra ny eo anivon’ny pôlisim-pirenena amin’izao. Samy manao ny hetsika manokana, misafo ireo faritra misy azy avy ireo kaomisaria enina misy eto an-drenivohitra. Raha efa naneho ny vokatra tamin’ny alàlan’ny fisafoana andro aman’alina ny teo anivon’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo, dia anjaran’ny boriborintany fahaefatra indray izao. Mpanendaka isan’ny raindahiny tanteraka, ary fantatry ny rehetra eny sy efa nampitondra faisana olona maromaro, teny amin’iny faritra Manarintso sy Andranomanalina iny, no voajonon’ireo pôlisy misahana iny faritra iny, niarahana nisalahy tamin’ny pôlisin’ny hery vonjy taitry ny kaomisaria na ny UIR. Tokony ho tamin’ny valo ora alina tany ho any no tra-tehaka teo am-pirembena ny hazany teo ambonin’ny tetezan’i Bekiraro teo ry zalahy ireto. Tsy niafina velively ka mora tamin’ireo mpitandro filaminana no nisambotra azy ireo. Tamin’ny fanadihadiana, raha ny vaovao azo no nanoroan’izy ireo ny namany iray, izay isan’ny mpiray tendro amin-dry zalahy. Raha ireto farany mantsy no manendaka, iry voalohany kosa no mpandray ireo entana rehetra azon’izy ireo ary manafina izany. Heverina, hoy ireo mpanao fanadihadiana fa tsy ho vitan’ity iraikalahy ity fotsiny izany fa tsy maintsy misy ny olona ngeza ao ambadika tena mpandray, izay naman’ny mpanao asa ratsy ihany moa, raha ny fehezan-dalana famaizana no jerana. Tsy mijanona amin’ny fisamborana azy telo lahy ireto araka izany ny fanadihadiana fa mbola mitohy hatrany. Etsy andanin’izay kosa dia mbola manohy ny fisafoana sy ny fiambenana hatrany ireo mpitandro filaminana. Izany dia mba hamongorana hatramin’ny farany izany asa ratsy izany. Tanjona faran’izay tsara tokoa, raha samy mba miara-misalahy toa izany avokoa ireo ambaratonga isan-karazany. Fa tsy hoe ny etsy misambotra, ny eroa mamoaka. Ezaka very maina ihany !
m.L