- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversBekiraro : Voatsatoka antsy noho ny finday

Bekiraro : Voatsatoka antsy noho ny finday

Tsy alim-be akory ny andro ary mbola betsaka ny olona nivezivezy. Raha namoaka ny finday teny aminy ny lehilahy iray ka nampiasa izany mba hiantsoana olona, no nisy nanindrona antsy avy hatrany ny tenany. Latsaka ny finday ary mazava hoazy, fa nalain’ireo olon-dratsy fotsiny sisa. Ilay rangahy kosa, nahazo lalan-drà ny sabatra nanindronana azy ary niboiboika teo ny rà. Ny olona no nifanampy tamin’ny famonjena azy ary nanao tsipaipaika mba nangalana fiarakaretsaka. Omaly dia mbola notazonina tao amin’ny hopitaly izy noho ny fahaverezan-drà be loatra. Mitaintaina tanteraka ny olona ankehitriny na inona na inona atao, ary na aiza na aiza. Mitombina tanteraka ny hoe eny an-dalambe matahotra mpanendaka, miditra elanelan-trano matahotra mpamono olona, miditra anaty fiara fitateram-bahoaka mbola hararaotin’ny jiolahy mitam-basy ihany koa ary ao anaty fiaran’ny tena dia mbola misy hatrany ny mamoha varavarana tampoka ary manendaka. Manginy fotsiny ireo manafina basy anaty lamba ary mampitahotra ny mpamily, tranga matetika izay hita etsy amin’ny mifanandrify ny « aigle noire » etsy Ambodinisotry. Feno jiolahy ny tanàna.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici