- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversBekopaka : Nisy fanafihana mpizaha tany indray

Bekopaka : Nisy fanafihana mpizaha tany indray

Tokony ho tamin’ny efatra ora tolakandro omaly no nitranga ny fanafihana fiara mpitondra mpizaha tany, izay avy any Morondava ka hihazo an’iBekopaka. « Roa kilaometatra tsy hahatongavana no nisy valolahy mitam-basy, ary nanao fanakanan-dàlana. Fiara roa izay samy nitondra vazaha no voatafika. Saika mba hihemotra ihany hitsaoka, kanefa lasa marobe tampoka teo ireo mpanafika izay samy mitam-basy avokoa» raha araka ny fitantaran’ny mpamily. Tsy nisy afa-nihetsika intsony teo fa dia samy nanaraka ny baikon’ny jiolahy sisa. Lasa avokoa ny entan’ireo mpizaha tany, izay gina tsy nahita ambara intsony manoloana ny zava-misy. Vao tamin’ny alahady teo koa no nisy fanafihana teo an-toerana, rahahiverenana kely, ary fiara nitondra mpizaha-tany hatrany. Misintona ny lakolosy fanairana ireo mpisehatra amin’ity sehatra ity, satria mamono tanteraka ny asan’izy ireo ny tsy fandriam-pahalemana eny amin’ny lalam-pirenena.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici