- Publicité -
vendredi, juin 6, 2025
AccueilFaits-DiversBekorobo Maevatanàna : Lavo ireo mpanafika mpitrandraka volamena

Bekorobo Maevatanàna : Lavo ireo mpanafika mpitrandraka volamena

Ny angom-vaovao voaray hatrany no nahalalana fa lasan’ireo jiolahy telolahy nandritra ny fanafihana mitam-piadiana nataon’izy ireo, tao amin’ny tanànan’i Mangabe, fokontany Bekorobo, any amin’ny kaominina ambanivohitra Antsiafabositra, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna ny marainan’ny alakamisy faha-22 may taona 2025 lasa teo ny vovo-bolamena milanja 20 grammes, finday 02, ary vary 70kg. Lasibatra tamin’izao fanafihana izao ny mpitrandraka volamena dimy. Taorian’ny fandrobana sy fanafihana nataon’ireo malaso no nitsoaka nandositra nalaky ireto farany. Vetivety teo rehefa nahazo antso an-tariby ny zandary dia nanao ny fanarahan-dia niaraka tamin’ireo vatan-dehilahy, ary nifanehatra tampoko tamin’ireo jiolahy, ka raikitra ny fifampitifirana. Vokany: Maty lavon’ny balan’ny zandary ny jiolahy telolahy, tafaverina ihany koa ny entana nangalarin’izy ireo. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara hatrany mampahafantatra fa anisan’ny laharam-pahamehana ho an’ny zandarimariam-pirenena, tarihin’ny lehiben’ny vondron-tobim-pileovana Betsiboka sy ny mpiara-miasa aminy, ny commandant de compagnie Maevatanàna, commandant de brigade territoriale, ary ny zandary ato anatin’ny faritra Betsiboka, ny famongorana ireo olon-dratsy fahavalom-bahoaka.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici