- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversBekorobo-Maevatanàna : Olona efa-dahy maty sempotra tao anaty lava-bolamena

Bekorobo-Maevatanàna : Olona efa-dahy maty sempotra tao anaty lava-bolamena

Anisan’ny mampiavaka ny faritra Betsiboka, indrindra fa ny ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna ny fananana volamena anaty tany sy ny amban’iny renirano iny, hany ka ny valopolo isan-jato ny mponina aty an-toerana dia mivelona sy mitrandraka an’ity harena sarobidy ity. Satria mahavita maniraka miala ny tanàna fonenany, sy ny vady aman-janaka ny volamena, rehefa maheno ny toerana malaza misy azy. Raha ny angom-baovao voaray hatrany dia lehilahy efatra no nitsofoka tsirairay, tao anaty lavaka fiasana volemena iray, tany amin’ny tanàna atao hoe: Bekorobo, any amin’ny kaominina ambanivohitra Antsiafabosotra, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna ny harivan’ny talata faha-11 Febroary taona 2025 teo iny. Ny angom-baovao hatrany no nahalalana fa nisy lasantsy very tafatsofoka, tao anantin’io lavaka io, ka niditra tany ny iray dia sempotra tsy tafavoaka no mbola nitsoaka nandeha tany ihany koa ny telo amibiny, saingy tsy nipotra nivoaka tao izy ireo. Teo no taitra sy niantso fokonolona teo an-tanàna ny olona sendra nahita izany. Nifamory nalaky ny vatan-dehilahy dia nitady fomba hampidirana rivotra any anatin’ilay lavaka volamena, ka izay ny nahafahana nahazo azy efa-dahy, indrisy anefa fa vatana tsy misy aina intsony no hita sy tazana nandritra ny fifanomezan-tanana natao. Ny afakomaly no tonga tao an-tampon-tanàna ny fokontany Marotaolana ny razana, ary omaly maraina dia nentina niakatra ny fatin’izy efa-dahy.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici