Nirefodrefotra ny basy teny amin’iny faritr’ Ilafy iny, ny marimarina kokoa dia tao Belanitra, ny alarobia alina lasa teo. Jiolahy folo mirongo fitaovam-piadiana maherivaika, toy ny basy kalaky, no nanafika tokantrano maromaro tao an-toerana, araka ny fanazavana azo. Zazalahy kely vao 12 taona monja no namoy ny ainy rehefa niantefan’ny balan’ireo olon-dratsy. Lehilahy iray, izay rain’ity zaza ity ihany, koa no mbola naratra voan’ny bala ihany, ary olona maromaro kosa no naratra mafy voavonon’ireo jiolahy, araka ny loharanom-baovao teny an-toerana. Tokony ho tany amin’ny 10 ora sy sasany tany ho any no nitranga io fanafihana io, raha ny filazan’ny mpitandro filaminana. Tsy nisy nahita ny nidiran’ireo andian-jiolahy marobe ireo ny tanàna. Izay tokantrano sendra azy no avy hatrany dia nanaovany amboletra nidirana, rehefa novakiany ny varavarana. Tsy nitsitsitsy mihitsy izy ireo, raha ny fanazavana azo. Fandrahonana amin’ny basy sy vono avy hatrany no nahazo ireo tompon-trano tamin’izany. Ary nanararaotra nibata izay zakany izy ireo, na fitaovana ao an-tokantrano io, miaraka tamin’ny firavaka sy izay azo nentina rehetra. Rehefa vita ny asa ratsiny dia samy nitsoaka izy ireo. Rehefa velona ny antso vonjy dia nikoropaka nivoaka ny olona. Tamin’izany indrindra no nanapoka basy ireto olon-dratsy ho fiarovan’izy ireo ny fitsoahany, ka tamin’izay no niantefa teny amin’izy mianaka ny bala. Bala telo be izao no nahalavo an’ilay ankizilahy kely. Araka ny vaovao hatrany dia nifamonjena haingana izy mianaka ireto kanefa noho ny habetsaky ny rà very dia tsy tana ny ain’ilay ankizy rehefa tonga tany amin’ny toeram-pitsaboana. Mbola manaraka fitsaboana ilay raim-pianakaviana. Tonga teny an-toerana avy hatrany ny mpitandro filaminana saingy efa dila ireo jiolahy. Angamba zavatra efa voamana mihitsy ity fanafihana namoizana ain’olona nitranga teny an-toerana ity. Raha ny fanazavana azo mantsy dia toa hoe efa nisy fiara niandry ireto andian’olon-dratsy ireto, tsy lavitry ny tanàna. Misokatra ny fanadihadiana sy ny fitadiavana ireo olon-dratsy nahavanon-doza ireo.
m.L