Nisehoana fanafihan-jiolahy indray tao Belazao Antsirabe, ny alin’ny alarobia teo tokony ho tamin’ny 11 ora alina.
Nirefodrefotra ny feom-basy tao Belazao, tokantranona mpiavarotra goavana iray tsy dia mifanalavitra loatra ny lapan’ny tànana, no notafihana bandy manodidina ny folo mirongo fiadiana mahery vaika. Teny an-tafontrano no voalaza fa nidirin’ireo jiolahy, tsy nandraoka entana ry zalahy, fa ny vola sy firavaka no notakiany; ka vola 5 tapitrisa ariary no voalaza fa lasan’ireo malaso niampy firavaka volamena tao an-trano. Nitondra fiara tsy mataho-dàlana sy moto Scooter iray ireo jiolahy raha ny angom-baovao. Azo lazaina noho izany fa fanafihana efa maty paika mihitsy ity niseho ity. Rehefa azon’ireo jiolahy izay nilainy, dia nitsoaka ry zalahy, nandritra izany kotaba izany anefa, nisy rangahy iray hafa mpiara-monina amin’ireo voatafika no nivoaka nitsirika teo an-davarangana, tsy nisy alaharo fa avy hatrany dia notifirin’ireo jiolahy, ka voa teo amin’ny sandriny sy feny. Naratra mafy tokoa io rangahy io raha ny fanazavana voaray hatrany ary mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly Atsimo Antsirabe ankehitriny. Voalaza hatrany moa fa mbola nanafika tao Andraikiba indray ireo jiolahy rehefa avy nanao ny asaratsiny tao amin’ity mpivarotra ity. Tsy mbola fantatra mazava tsara kosa ny zavatra lasany tao Andraikiba. Tonga teny an-toerana moa ny zandary, saingy efa lasa ireo jiolahy. Misokatra ny fanadihadiana.
Andry N.