- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversBelazao Antsirabe II : Fivarotana iray, lasibatry ny jiolahy isan-taona

Belazao Antsirabe II : Fivarotana iray, lasibatry ny jiolahy isan-taona

Lasibatry  ny fanafihana hatrany ity fivarotana iray ao Belazao Antsirabe II ity, saika ho isan-taona matsy dia iharan’ny fandrobana foana.

Jiolahy manodidina ny enin-dahy no tazan’ny mpifanolo-bodirindrina teo antokon-tany nihaodihaody talohan’ny nidirany tao amin’ilay tokantranona-mpivarotrany alin’ny Alakamisy tokony ho tamin’ny 11 alina. Avy hatrany dia ny basy no niteny, tsy nisy sahy nivoaka ny manodidina noho ny tahotra, nihantsy rahateo ireo jiolahy nandrahona hoe”“ mivoaha izay mahasahy”. Ankoatra izay, nilaza ireo jiolahy fa “antsoy ny zandary hanampy anareo fa zahay tsy mitsoaka” no sady manapoaka basy no mitsoka kiririoka. Voalaza fa in-dimy nipoaka ny basy tamin’io. Nopoirin’ireo jiolahy ny varavarana,no sady notifiriny, ka nahavoa ny tànan’ilay raim-pianakaviana,  nanao amboletra niditra ny trano ry zalahy. Ny fianakaviana tao an-trano tamin’io efa nandre ny fiavin’ireto jiolahy ka niafina tany an-tafotrano ny sasany, ilay raim-piankaviana no mbola taraiky ka nihazohazo ny ila tongony havanana, iny no nosintonin’ireo jiolahy ka nodarohany ity farany ary naratra mafy ankoatry ny bala nahazo ny tanany. Nitaky ny vola ireo jiolahy no sady nidaroka, nilaza anefa ilay raim-pianakaviana fa vao avy niantsena ary nakana entana ny vola ka tsy misy ao. Ambim-bola kely niampy ny tsena lafo tamin’io fotoana io no lasan’ireo jiolahy ary tapitra noraofiny avokoa ny entam-barotra rehetra. Zazavavy kely iray tao an-trano koa no saika niharan’ny habibian’ireto olon-dratsy, nolazainy mantsy fa “tena ilay kotikotiko teny an-tsena de miavonavona be, tratrako zao tena de ahoana” izany hoe olona efa tena mahafantatra ity mpivarotra ity izany ireo jiolahy. Naharitra ora iray sy sasany ny fanafihana raha ny fitantaran’ny nanatry maso, niezaka niantso ny mpitandro filaminana hatrany ny manodidina nandritra izany saingy tsy tonga ireto farany raha tsy tamin’ny 2 ora maraina, fotoana efa nitondrana ny maratra teny amin’ny hopitaly. Tezitra ny olona raha ny  fitantaran’ny mponina teny an-toerana hatrany  ka nanakora sy nanesoeso ireto mpitandro filaminana tara. Marihina fa tamin’ny herin-taona no nisy nanafika koa ity fivarotana ity izay nahavoatifitra ny mponina iray sendra nivoaka teo an-davarangana nijery ireto jiolahy.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici