- Publicité SW45 -
jeudi, mars 28, 2024
AccueilFaits-DiversBelo Sur Mer : « Bois de rose » miisa 250 tratra

Belo Sur Mer : « Bois de rose » miisa 250 tratra

Bolabolanana « bois de rose” miisa hatrany amin’ny 250 indray no tratra tany amin’ny faritry Belo Sur Mer, any Melaky ny sabotsy lasa teo. Fanaraha-maso natao no nahitana izany. Ny loharaom-baovao no nahalalana fa efa tonga any an-toerana avokoa ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny hizaha ny zava anisy. Omaly ihany dia efa nampidinina avy ao anatin’ilay sambo ireo hazo sarobidy. Fa ankoatra ity sambo iray ity, dia fantatra ihany koa fa misy sambo roa nihitsoka eny afovoan-dranomasina. Mapiahiahy koa izy ireo. Mitondra ny anarana hoe Beloha sy Mickel. Amin’izao fotoana izao aloha, tsy mbola fantatra izay zavatra na  entana ao anatiny. Efa mirosa amin’ny fandehanana mankeny ireo tompon’andriakitra hizaha izay tena ao anatiny. Mikasika ireo hazo sarobidy 250 sarona, dia voalaza fa ho entina any Morondava izy ireo. Saika misy trafikana andramena avokoa ny sisin-dranomasina eto amintsika. Vao tamin’ny herinandro no nahatratrarana bolabola 53 tany amin’ny faritra atsimo nafenina tao anaty rano. Herinandro maro talohan’izany ny nahasaronana bois de rose tany amin’nyf aritry SAVA ary efa nisy mihitsy ireo nogehazana. Tsy fantatra na may volontratra ireo mpanao ity trafika ity ka miezaka mafy ny hanondrana azy faran’izay haingana hiala ny morontsiraka ka handefa azy any amin’ny toerana handafosana azy.

Nangonin’I r.s.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser