- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversBelo sur Tsiribihina : Norasarasain’ny dahalo ilay miaramila

Belo sur Tsiribihina : Norasarasain’ny dahalo ilay miaramila

Miaramila iray avy ao amin’ny Kaompania faha-510 avy ao Belo/Tsiribihina no lavon’ny dahalo nandritra ny fifanjevoana teo amin’ny kizon’Antsirasira, ny talata hariva lasa teo. Tsy vitan’ny lavon’ny bala anefa ity miaramila ity fa mbola norasarasain’ireo andian-dahalo ny vatana mangatsiakany. Very tamin’izany ny basy « kalack » iray sy fitoeram-bala roa. Ny zava-nitranga : andian-dahalo maromaro no nanafika tao amin’ny tanànan’Andranomavo, Belo/ Tsiribihina, ny talata maraina lasa teo. Tonga teny an-toerana avy hatrany ireo mpitandro filaminana ary nanao fanarahan-dia avy hatrany ireto malaso ireto. Mpitandro filaminana izay nahitàna zandary sy miaramila avy ao amin’ny kaompania faha-510. Tonga teo amin’io toerana voalaza ambony io dia raikitra ny fifandonana tamin’ireo mpanara-dia sy ireo andian-dahalo, tokony  ho tamin’ny telo ora tolakandro tany ho any. Tamin’izany fifandonana izay no nahalavo an-dRamisaray Eric, miaramila, mitondra ny grady « Sergent Chef » , izay miasa ao amin’io kaompania io. Araka izany, tsy votsotra ireo omby lasan’ireo malaso ary mbola nanohy ny fitsoahany ireto farany. Efa nalaina ny vatana mangatsiakan’ity miaramila lavo an-tanim-piadiana ity ary efa nentina tany amin’ny toby nisy azy. Nisy ampahany tamin’ireo mpanara-dia kosa no mbola nanohy nanenjika ireto malaso ireto.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici