Habibiana tsy roa aman-tany no nitranga tany an-toerana ny marainan’ny alarobia teo. Niainga tamin’ny antso an-telefaonina azon’ny ben’ny tanànan’i Masoarivo ny fihetsehan’ny zandarimaria. Raha araka ny vaovao dia nisy nampita ny fisian’ny olona roa notapahin-doha tao amin’ny tanàna iray antsoina hoe Mahasoa. Nidina an-tsehatra ilay olom-boafidy sy ny lehiben’ny tobim-paritry ny zandary izay niaraka tamin’ny olony. Rehefa tonga teny an-toerana dia heloka bevava izay notanterahina tamin’ny fomba feno habibiana no novantanin’izy ireo. « Ramatoa antsoina hoe Bozy, tokony ho 70 taona sy ny zafiny atao hoe Delisy, tokony ho 25 taona, no niaraka hita faty. Novonoina izy mianaka ireo ary notapahan’dahalo tamin’ny antsilava ny lohany ka nentinn’izy ireo nitsoaka niaraka taminy », raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana. Nanomboka teo ny fanarahan-dia rehefa fantatra fa nandeha niakandrefana ny fitsoahan’ireto olon-dratsy. Vokatr’ity tranga ity dia nahetsika avokoa ny hery velona rehetra teo amin’ny manodidina ilay fari-piadidiana. Toa anatin’ny fanarahan-dia no voatifitra ilay lehiben’ny zandary izay nitarika ny savahao tao anaty ala. Noezahina navotana ny ainy, nentina niala tao an-toerana ary namonjy toeram-pitsaboana saingy tsy tàna intsony. Raha araka ny fanampim-baovao dia ny Lietnà Noely, izay mpandrindra ny zandary ao Belo sur Tsiribihina ilay namoy ny ainy. Manamboninahitry ny zandary mbola ao anatin’ny hatanorany tanteraka ity nindaosin’ny fahafatesana teo am-panatontosàna ny asany ity. Vao ny faran’ny herinandro lasa teo koa no nisy olon-tsotra roa hafa namoy ny ainy nandritra ny fanafihan-dahalo tao Analamitsivala-Mahabo. Tao anatin’izany koa no nisy zandary iray naratra noho ny tifitra nahazo azy. Miverina milomano ao anaty tsy fandriam-pahalemana araka izany iny faritra iny.
D.R