- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversBelo/ Tsiribihana : Notafihan’ny dahalo ny Ben’ny tanàna

Belo/ Tsiribihana : Notafihan’ny dahalo ny Ben’ny tanàna

Efa sahy tanteraka mihitsy ireo dahalo any amin’iny faritra Belo/Tsiribihina iny. Raha vao haingana tokoa mantsy no nisy mpitandro filaminana novonoin’izy ireo tany an-toerana dia fantatra indray izao fa Ben’ny tanana  tany amina kaominina iray antsoina hoe Amboalimena no notafihin’izy ireo, ny alatsinainy lasa teo. Nahatratra teo amin’ny 50 lahy teo ireo dahalo ary samy nirongo basim-borona sy zava-maranitra. Tokony ho tamin’ny 11 ora alina tany ho any no niditra an-keriny tao amin’ity tranon’ity olom-boafidy ity ireo andian’olon-dratsy am-polony maro ity. Ary amin’ny maha betsaka azy ireo, dia ny sasantsasany ihany no nanao izay danin’ny kibony tao an-trano, nandroba sy naka izay zavatra zakan’izy ireo. Ireo ambiny kosa niandry tety ivelany, nitily izay mponina sahy hifanandrina amin’izy ireo. Araka izany, tsy voafaritra ny tontalim-bidin’ireo entana very sy vola lasan’ireto malaso ireto. Raha ny fampitam-baovao azo dia nitsoaka niankandrefana ny dian’izy ireo. Taorian’izay vao afaka nampandre ny zandary tany an-toerana ity olom-boafidy voatafika ity sy niantso vonjy tamin’ireo mponina. Teo no ho eo ihany moa dia raikitra ny fanarahan-dia nataon’ireo mpitandro filaminana niaraka tamin’ireo fokonolona nanenjika ireto malaso ireto.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici