- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversBelo Tsiribihina : Dahalo avy nanglatra omby, naka takalon’aina telo

Belo Tsiribihina : Dahalo avy nanglatra omby, naka takalon’aina telo

Andian-dahalo maherin’ny 50 nirongo basim-borona miisa 31 sy fitaovam-piadiana hafa no nandroba vao naraina tao amin’ny tanànan’Ampilira Ankilimahasoa, fokontany Bemangily, kaominina Ankalalobe, any amin’ny distrakan’i Belo ambonin’i Tsiribihina, ny faran’ny herinandro teo. Raha vao naheno ny tifitra variraraka ny mponina dia vaky nandositra avokoa ka niliba ireo malaso nangorona ireo omby 130 teo an-tanàna, ary mbola nitondra olona telo nataon’izy ireo takalon’aina: zaza menavava sy ankizy 4 taona ary vehivavy iray. Raikitra ny fanarahan-dia taorian’ny fampandrenesana ny mpitandro filaminana. Avy hatrany ireto farany dia efa niandry an’ireo dahalo tamin’ny kizo fieren’ izy ireo. Naharitra adiny iray ny fifadonana. Dahalo miisa 5 no maty voatifitra, fito hafa naratra mafy. Olona iray kosa naratra tamin’ireo mpanara-dia. Raha araka ny vaovao voaray dia tafaverina avokoa ny omby rehetra sy ireo olona telo natao takalon’aina.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici