Hatramin’ny andro omaly, mbola manao ny fanarahan-dia sy ny fikarohana ireo olon-dratsy nahavanon-doza ny zandary any an-toerana. Mbola eo am-pitadiavana ny lohan’ity olom-piangonana ity ihany koa, izay notahapahan’ireo olon-dratsy, nandritry ny fanafihana azy ary nentin’izy ireo.
Ny alahady lasa teo no hita faty, teo amin’ny kizon’Anosilava, tokony ho enina kilaometatra miala ny tananan’Andranofotsy, distrika Belo Tsiribihina, ity katesista avy eo amin’ny fiangonana FLM ity. Tamin’ny fitsirihan’ireo tompon’andraikitra ny razana dia hita fa nisy namono ity farany. Ary ny loza dia notapahan’ireo nahavanon-doza tarangana mihitsy ny lohany, ary heverina fa nentin’izy ireo. Tsy hita teo amin’ny faritra manodidina mihitsy mantsy izany, raha ny angom-baovao azo avy any an-toerana. Araka ny tatitra hatrany dia nambaran’ireo mpitsabo tonga nitsirika ny razana fa efa ny omalin’io, izany ho ny sabotsy hariva no namoy ny ainy ity olom-piangonana ity. Noho ny tsy fisian’ny tanàna manodidina anefa, dia tsy nisy nandre ary tsy fantatra mazava izay nahazo azy, raha tsy io marainan’ny alahady io, ny fotoana nahitàna izay vatana mangatsiakany izay.
Fanafihan-dahalo sa lonilony ? Io no fanontaniana mipetraka amin’ireo tompon’andraikitry ny famotorana hatreto. Amin’ny lafiny iray mantsy, raha ny loharanom-baovao azo hatrany dia faritra mena, toerana fandalovan’ny dahalo io toerana nahavoa azy io. Araka ny fanarahan-dia ihany koa anefa, dia toa dian’olona miaraka aminy ihany no hita teo amin’ny toerana nisy ny tranga. Marihana ihany koa mantsy fa ny andron’io voalaza fa nahafatesany io ihany dia vao nihaona tamin’ny olom-boafidy iray tany an-toerana ny tenany, nangataka fanampiana ho an’ny fiangonana sahaniny. Izay zavatra izay no mety nisy nahafantatra ka antony nahatonga ny fanafihana sy famonoana azy, hoy hatrany ny angom-baovao. Kanefa tsy nisy afa-tsy finday sy sakaosy tsy nisy na inona na inona no lasan’ireo nahavanon-doza. Vinavina fotsiny ihany anefa izay. Efa mandeha ary manao ny ainy tsy ho zavatra ireo zandary any an-toerana amin’ny fikarohana ireo tsy valahara tompon’antoka tamin’ity vono olona feno habibiana ity.
m.L