- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversBelo-Tsiribihina : Lehilahy notetehina ny antsy, nahantona teo ambony kalesy ny fatiny

Belo-Tsiribihina : Lehilahy notetehina ny antsy, nahantona teo ambony kalesy ny fatiny

Lehilahy iray vao erotrerony avy naka sira handeha hamonjy fodiana, novonoina tamin’ny fomba feno habibiana notetehina tamin’ny antsy, no hita faty nihosin-drà vao maraim-be teo amoron-dalana, nahantona teo ambonin’ny kalesy nentiny, tany Tsimafana, Distrikan’i Belo-Tsiribihina, ny 20 jolay teo. Raha ny loharanom-baovao voaray, dia telolahy ry zareo no indray niara-niainga tao an-tanàna nandeha kalesy iray, ka ny roa lahy voalaza fa handeha haka hazo, ary ity namoy ny ainy kosa haka sira. Tsy fantatra mazava izay tena zava-niseho teny an-dalana, fa ny faty efa nihosin-drà hitan’ny olona no nanaitra ny rehetra. Karohin’ny mpitandro filaminana fatratra amin’izao ny tompon’antoka tamin’ity vono olona nahatsiravina ity, ka anisan’izany izy roalahy niaraka kalesy tamin’ity lehilahy maty novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ity.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici