- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversBelo Tsiribihina : Mpianatra folo indray voan’ny ambalavelona

Belo Tsiribihina : Mpianatra folo indray voan’ny ambalavelona

Tao anatin’ny roa volana, nanomboka ny volana desambra 2017 no mankaty, nirongatra ny fiparitahan’ ny ambalavelona tany amin’ny Distrikan’i Belo Tsiribihina, ka malaina mandefa ny zanany vavy an-tsekoly avokoa ny ankamaroan’ny ray aman-dreny kivy, satria misy amin’ireo efa voa mbola nidiran’ ity aretin’ny asan’ny maizina ity indray, ka mpianatra folo no tratra.Mpianatra tamin’ny kilasy faharoa (seconde) no nidiran’ny aretina tany am-boalohany, avy eo niparitaka tamin’ ireo ankizivavy kilasy “première” izany. Manoloana ny firongatry ny ambalavelona, dia nangataka tamin’ny tompon’andraikitry ny sekoly ireo ray aman-drenin’ny mpianatra sy ny Ffkm miaraka amin’ireo mpiandry any an-toerana, amin’ny fanamasinana/fanadiovana ny sekoly anjakan’ity aretin-dratsy ity.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici