Habibiana tsy roa aman-tany no nihatra tamina ramatoa be iray tokony ho 87 taona, tany amin’iny faritra Belo/ Tsiribihina iny, ny herinandro lasa teo. Rehefa avy novonoina tamin’ny fomba feno habibiana mantsy ity vaviantitra ity, dia mbola nodoranan’ireo tsy mataho-tody indray ny trano nisy azy. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary any an-toerana dia mipetra-drery ramatoabe ao amin’ny fokontanin’i Berendrika, kaominina Tsimafana, ao amin’ny distrika Belo Tsiribihina. Tamin’ny 11 ora alina, notongavana andian-jiolahy ny tokantranon’ity ramatoa ity. Jiolahy niisa telo samy nirongo basim-borona sy famaky no nanao amboletra tao amin’ilay trano. Tsy vitan’ny nandroba anefa no nataon’izy ireo. Vantany vao hitan’izy ireo mantsy ilay ramatoabe, avy hatrany dia nokapain’izy ireo ny famaky. Tsy fantatra ihany koa, hoy ny vaovao hatrany, raha hoe saika hanohitra tamin’ny heriny rehetra angamba ity vaviantitra ity ka notaperin’izy ireo ny ainy. Rehefa azon’izy ireo izay rehetra zakany tao amin’ilay trano dia nandositra nitsoaka izy ireo. Asa raha hoe saika hanafenany ny fandrobana sy ny vono olona nataon’izy ireo angamba, nodoran’ireto jiolahy tsy tamin-kahiahy mantsy ny tranon’ity ramatoa ity. Niantso vonjeo ihany ramatoabe saingy tsy nisy sahy nivoaka ny mponina noho ny tahotry ny ain’izy ireo. Raha ny vaovao hatrany dia manodidina ny telo tapitrisa ariary teo no vola lasan’ireo olon-dratsy, niampy izay entana sarobidy tao aminy. Rehefa lasa nitsoaka ireo jiolahy vao niezaka ny namonjy ny mponina saingy indrisy fa tara loatra. Efa namoy ny ainy tamin’ny kapa famaky nahazo antsy mantsy ilay ramatoa. Potika sy ravan’ny afo tanteraka kosa ny tranony. Fantatra fa nitsoaka niantsinana ireo olon-dratsy taorian’ny fanafihana nataon’izy ireo, araka ny filazan’ireo mponina. Nandray an-tanana ity raharaha fanafihana miharo vono olona ity ireo mpitandro filaminana. Raikitra avy hatrany ny hazalambo nataon’ireto farany, hitadiavana ireo olon-dratsy.
m.L