Nitrangana loza an-dranomasina ny reniranon’i Tsiribihina, omaly maraina. Sambo iray, na ireny antsoin’ny any an-toerana hoe “kanoto” ireny no rendrika rehefa niala tao Belo-Tsiribihina hihazo an’i Miandrivazo. Araka ny loharanom-baovao, olona 40 no tao anatin’ity sambo ity. Isan’izany ny mpanamory izay fantatra fa tafavoaka ary afaka nanavotra aina rehefa nitranga ny loza. Ireo 39 hafa kosa dia mbola tsy hita popoka hatramin’ny ora nanoratanay ity lahatsoratra ity na dia eo aza ny ezaka ataon’ireo manam-pahefana any an-toerana mba hikarohana azy ireo. Ireto farany; izay efa nandray andraikitra avy hatrany raha vao nandre izao loza izao. Fantatra ihany koa, fa efa any an-toerana manao ny fikarohana ireo miaramila avy ao amin’ny RM5 avy ao Morondava. Ireto farany izay mampiasa vedety haingam-pandeha ary miaraka amin’izy ireo amin’izany ny governoran’i Menabe sy ny depiote voafidy tany an-toerana. Mifarimbona amin’izao fikarohana izao ihany koa ireo manam-pahefana mivondrona ao amin’ny OMC avy any Miandrivazo. Araka ny loharanom-baovao, dia isan’ny nahatonga izao loza izao ny fiakaran’ny ranon’i Tsiribihina; izay vokatry ny oram-be mikija any an-toerana amin’izao fotoana izao.
T.M.