- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversBelo Tsiribihina : Raim-pianakaviana tsy hita nandritra ny herinandro, hita faty voatetitetika

Belo Tsiribihina : Raim-pianakaviana tsy hita nandritra ny herinandro, hita faty voatetitetika

Noho ny firongatry ny tsy fandriampahalemana (vono olona amin’ny fomba feno habibiana sy ny halatr’omby) manao sesilany tato ho ato any amin’ny Distrikan’i Belo Amoron’i Tsiribihina, Faritra Menabe, dia miaina ao anatin’ny tebiteby ny mponina, ka misy amin’ ireo olona mihorohoro no tonga dia mifindra toerana miala ny tanàna. Ny talata teo, lehilahy iray tsy hita popoka nokarohina efa ho valo andro, hita faty voatetitetika tao anaty lobolobo, tao an-tampon-tanànan’i Belo Amoron’i Tsiribihina. Araka ny tati-baovao voaray, dia ny marainan’ny alatsinainy 6 novambra lasa teo ity raim-pianakaviana ity no niala tao an-tranony handeha hamboly any amin’ny fokontanin’i Soanafindra, saingy tsy niverina intsony ny tenany, raha ny filazan’ny fianakaviany nandritra ny famotorana nataon’ny mpitandro filaminana azy ireo. Raha ny fantatra,dia novonoina tamin’ny fomba feno habibiana  R.A izay lehilahy tsy mba nanana olana tamin’ireo mpiara-monina taminy,  fony fahavelony. Ahian’ny fianakavian’ny maty fa mety ho olon-dratsy mpandroba no nifanehitra sy nahavita nanao ny famonoana. Ary hatreto aloha dia mbola tsy fantatra mazava izay nahavanon-doza, satria mbola eo am-panaovana fanadihadiana ny zandary mandray an-tànana ny raharaha.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici