Nitrangana lozam-pifamoivoizana an-dranomasina indray tany amin’ny distrikan’i Belo Tsiribihina, ny alakamisy hifoha zoma teo. Sambo mpitatitra iray nitondra PPN sy olona no rendrika, ka natelin’ny rano avokoa ireo entana an-taoniny maro netiny, nahitana gonim-boanjo miisa 126, labiera 159 cageots, siramamy 300 gony, sira 100 gony, ary akoho amam-borona manodidina ny 200 isa. Raha araka ny loharanom-baovao dia tsy nisy ny aina nafoy tamin’ity loza ity, satria afaka nanavotra ny ainy nihazo ny moron-dranomasina avokoa ireo mpandeha tamin’ilay sambo, ka anisan’ izany ilay mpandraharaha ara-toekarena tompon’ireo entana dobo fefiky ny rano. Raha ny fantatra dia nandona vatobe tao anatin’ny haizina tao Andravoho ity sambo ity.
Eric Manitrisa
Belo Tsiribihina : Sambo iray nitondra PPN rendrika, entana an-taoniny natelin’ny ranomasina
Articles qui pourraient vous intéresser