- Publicité -
vendredi, juillet 18, 2025
AccueilFaits-DiversBelo Tsiribihina : Vehivavy iray hamonjy Fitampoha, maty an-drano navadiky ny lakana

Belo Tsiribihina : Vehivavy iray hamonjy Fitampoha, maty an-drano navadiky ny lakana

Renim-pianakaviana iray no dobo an-drano navadiky ny lakana, ny alatsinainy hariva teo, ary hita faty omaly, tany Belo Tsiribihina. Nandeha lakana niaraka tamin’ny fianakaviany handeha hamonjy Fitampoha ao amin’ny fokontany Begodogodo ity vehivavy izay efa domelin’ny zava-pisotro misy alikaola ity no tra-doza latsaka tampoka tao anaty rano teo ampovoan’ny reniranon’i Tsiribihina. Na dia nokarohina aza dia tsy hita ny vatana mangatsiakany. Gaga anefa ny rehetra omaly, tokony ho tamin’ny 10 ora, nandritra ny fotoana fampiandroana ireo “Jiny” na ny taolam-balon’ireo Mpanjaka, fa nipoitra tampoka avy tao anaty rano ny fatiny. Fitahiana sy tso-drano amin’ny razana nokasaina, kanefa vantana mangatsiaka tsy nisy aina nentiny havany nody, hoy ny vaovao.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici