Miaramila iray avy ao amin’ny ZRPS (zone rurale prioritaire de sécurité) Ankavandra no hita faty, robaky ny bala tao amin’ny tanana iray antsoina hoe Andrafia, fokontany Miandrarivo, kaominina ambanivohitra Belobaka, omaly maraina. Tokony ho tamin’ny fito ora sy sasany maraina tany ho any no nisy nahita ny razana, ary nampandrenesina avy hatrany ireo zandary misahana iny faritra iny. Nidina avy hatrany tany an-toerana ireto farany ary tamin’izany no nahitàna fa miaramila izy ireo ary mitondra ny galona kapôraly. Raha ny angom-baovao azo dia nisy fifandonana mahery vaika nitranga teo amin’ny tarik’ity miaramila ity, izay mpitifitra azy, izay inoana fa tsy maintsy ho dahalo. Ny nitrangan’izany kosa anefa hatreto dia mbola tsy fantatra mazava ary hiandrasana fanazavàna avy amin’ireo tompon’andraikitra. Marihana fa hita tsy lavitra ity mahery fon’ny firenena ity, rehefa natao ny fitsirihana ny manodidina, ny basy « kalach » iray niaraka tamin’ny fitoeram-bala iray. Fitoeram-bala, efa tsy nisy n’inona n’inona intsony tao anatiny, raha ny angom-baovao azo hatrany. Tsy nisy tratra teny an-toerana intsony moa ireo izay nitifitra nahafaty ity miaramila ity. Efa mandeha ny hazalambo any an-toerana. Savahao, izay natao hikarohana ireo izay mety ho nahavanon-doza nahavita izao famonoana mpitandro filaminana izao. Tsapa tokoa tato ho ato izay fa efa sahy miantsy ady amin’ireo mpitandro filaminana mihitsy ireo olon-dratsy. Tsiahivina mantsy fa tato anatin’ity herinandro fankalazàna ny fetin’ny krismasy ity dia efa mpitandro filaminana telo no namoy ny ainy, samy novonoin’ireo olon-dratsy avokoa : ny iray pôlisy , tetsy Andrefan’Ambohijanahary ny talata lasa teo, ny iray zandary tany amin’iny faritra Anjozorobe iny, ary ity miaramila tany Belobaka ity. Telo kosa ireo naratra voatifitra : zandary iray tany Toamasina, ary roa tany Anjozorobe.
m.L