- Publicité -
jeudi, juin 5, 2025
AccueilFaits-DiversBeloha : 20.000.000 ariary sy volamena iray boaty norobain’ny jiolahy

Beloha : 20.000.000 ariary sy volamena iray boaty norobain’ny jiolahy

Tsy ny halatr’omby ihany akory no mampikaikaika ny mponina any amin’iny tapany Atsimon’ny Nosy iny, fa eo ihany koa ny asan-jiolahy. Ny faramparan’ny volana lasa teo tokoa mantsy dia tokantrano iray no lasibatry ny jiolahy mirongo fiadiana sy miravaka ody gasy. Vola mitentina eo amin’ny roapolo tapitisa ariary teo ho eo no lasan’ireo jiolahy tamin’io fotoana io, niaraka tamina firavaka volamena iray boaty, bisikileta iray ary fahitalavitra. Fanafihana izay nitranga tao amin’ny kaominina Tranora, distrika Beloha Androy. Nanao ny ezaka hikarohana ireo olon-dratsy avy hatrany ny pôlisy tany an-toerana. Herinandro taorian’io, rehefa nisy ny angom-baovao azo, dia voasambotra ny valo tamin’ireo mpanafika, izay marihana, hoy ny vaovao fa samy avy any Belavenona, any amin’iny distrikan’i Bekily iny. Rehefa natao moa ny famotorana azy ireo, dia niaiky ny sasantsany tamin’ireo voasambotra fa isan’ireo nandray anjara tamin’ilay fanafihana. Mbola tratra teny amin’izy ireo aza moa ny basim-borona  telo sy ireo fanafody gasy fentin’ireo manao ny asa ratsiny. Natolotra ny fampanoavana ny herinandro teo izy ireo ka  ny fito tamin’ireo voasambotra ireo no nadoboka am-ponja vonjimaika miandry ny fotoam-pitsarana azy, raha nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny naman’izy ireo iray.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici