- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversBeloha Androy : Mirongatra ny trafikana sokatra, misy miaro an’ ireo vahiny...

Beloha Androy : Mirongatra ny trafikana sokatra, misy miaro an’ ireo vahiny mpanao trafika

Raha ny fanazavana azo, dia mahazo laka ankehitriny ny halatra sokatra any Lavanono, distrikan’i Beloha Androy. Ny nambaran’ny mponina nandritra ny fanadihadiana nataon’ireo mpanao gazety misahana ny fiarovana ny tontolo iainana, izay tohanan’ny Page Giz, no nahafantarana fa dia misy vahiny mitondra fiara tsy mataho-dalana tonga any an-toerana maka sokatra. Ary misy amin’ ireo olona lazaina fa fady sokatra no manangona an’ireo sokatra any an’ala, avy eo mivarotra izany amin’ny kely maso. Ireto farany indray avy eo manondrana an-tsokotsoko an-dranomasina ireo sokatra velona azo sy kitozan-tsokatra, izay taterina amin’ny lakana ary efa misy sambo miandry eny am-povoan-dranomasina. Tsy mionona fotsiny ao Lavanono ihany ireo mpanao trafika fa mandeha manangona sokatra hatrany amin’ny Kaominina ambanivohitr’Itampolo, Androka, Beheloka Distrikan’ Ampanihy Andrefana. Raha ny loharanom-baovao marim-pototra, dia voalaza fa misy olona ambony miaro sy miray petsapetsa amin’ireto vahiny. Noho ny tsindry bokotra sy tahotra, dia tsy sahy manao ny asany ara-dalàna ireo mpitandro ny filaminana (sao hanimba ny asan’izy ireo hono !), satria dia ahitana olona be galona hatrany na koa olom-boafidy ambony ny fiara mitondra ireny sokatra ireny.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici