- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversBeloha Androy : Rangahy iray tratra nangalatra osy sy ondry, matin’ny fokonolona

Beloha Androy : Rangahy iray tratra nangalatra osy sy ondry, matin’ny fokonolona

Lehilahy iray tratra nangalatra osy sy ondry maromaro am-bodiomby no matin’ny fitsaram-bahoaka tany Beloha Androy, ny alahady teo. Raha araka ny vaovao voaray dia leom-boananana amin’ny firongatry ny asa ratsy mateti-piseho amina trangana fahaverezana biby fiompy ny mponina, ka tsy mifidy sarangan-keloka intsony, fa izay tratra mandika ny lalànan’ny fiaraha-monina dia manefa avy hatrany. Namoy ny ainy teny an-dalana vokatry ny vono sy daroka nihatra taminy ity mpangalatra ity, rehefa nentina nialana nenina tany amin’ny hopitaly.
Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici