Raim-pianakaviana iray, mpiandraikitra vary mora any amin’ny Distrikan’i Beloha Androy sy lehilahy mpiambina magazay misy an’ireo vary mora, no tra-tehaky ny andrimasom-pokonolona nangalatra vary mora 60 gony, ny alin’ny asabotsy hifoha ny alahady teo, tokony ho tamin’ny iray ora sy sasany maraina. Raha ny vaovao voaray, dia teo am-pitaterana an’ireo vary mora tamin’ny sarety izy roa lahy ireto no traingo, ka tsy afa-nitsoaka intsony. Amin’izao fotoana izao, dia mbola eo am-pikarohana an’ ireo namany tafaporitsaka sy ny mpiray tsikombakomba amin’izy roa lahy ireto ny mpitandro filaminana any an-toerana. Raha ny fanazavana azo hatrany, matetika misy trangan- kalatra sy fahaverezana vary mora foana ao Beloha Androy, ka tamin’ity indray mitoraka ity dia sarona ireo olon-dratsy.
Articles qui pourraient vous intéresser