Ny alin’ny alarobia lasa teo dia mpitsabo iray no notafihin’ny dahalo am-polony nirongo basy sy lefona, tao Antsolo, kaominina Tranoroa, distrikan’i Beloha. Naratra mafy vokatr’izay fanafihana izay ilay dokotera tao an-toerana sy ny reniny. Novonoin’ireo olon-dratsy kosa ny rainy. Tokony ho tamin’ny sivy ora alina tany ho any no nitranga ity fanafihana ity, araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana. Avy hatrany dia namantana tao amin’ity mpitsabo tsy miankina ity ireo olon-dratsy ary nanao amboletra niditra. Tsy nisy alaharo alaharo fa vono avy hatrany no nihatra tamin’ireo olona tao an-trano : ilay mpitsabo sy ny ray aman-dreniny ary ny mpanampy azy ireo. Ankevitry ny mety nisy fanoherana ihany nataon’ny tompon-trano, ka tsy nisalasala nampiasa ireo fitaovam-piadiany teny am-pelatanany ireo olon-dratsy. Nandriaka ny ra tao amin’izany tokantrano izany. Maty novonoin’ireo olon-dratsy ny raim-pianakaviana iray, rain’ilay mpitsabo. Naratra mafy vokatry ny vono sy ny tifitra kosa ilay mpitsabo, ny reniny ary ilay mpanampy azy. Ary noho izay ratra izay dia voatery nalefa notsaboina haingana tany amin’ny hôpitaly tany Tsihombe izy ireo. Marihina fa tsy niala maina ireo olon-dratsy taorian’izao asa ratsy nataon’izy ireo izao fa mbola nibata entana maromaro araka izay zakan’izy ireo. Tamin’io fotoana io ihany moa dia efa nampandrenesina ny zandary, izay tao anatin’ny fotoana fohy ihany koa dia efa tonga tany an-toerana sy nametraka ny paik’ady rehetra. Na izany aza dia tsy tratra tao an-toerana intsony ireo malaso fa tafatsoaka. Efa mandeha moa amin’izao ny hazalambo any an-toerana. Ny somary mahagaga, hoy hatrany ny loharanom-baovao, faritra tsy dia hisian’ny asan-dahalo ary azo lazaina fa toerana milamina io nisian’ny fanafihana io, tsy toy ny any amin’ireo faritra hafa any amin’iny tapany atsimon’ny Nosy iny. Azo heverina avy hatrany araka izany fa mety ho valifaty no anton’izao fanafihana mpitsabo izao, araka ny vaovao azo hatrany.
m.L