Olona dimy voarohirohy tamin’ny famonoana ka nahafaty tamin’ny alàlan’ny tifitra teo amin’ny lohany ny DAGT ao amin’ny Faritra Melaky sy ilay mpanakanto mpiangaly mozika rap Alpha Masy, 32 taona; izay mbola mpitovo, voatifitry ny dahalo mpanakan-dalana, ny harivan’ny asabotsy 23 aprily, tany Bemahatazana, raha nandeha taksiborosy hihazo ny lalana mankany Maintirano iny, no voasambotry ny zandary tao Ambalakaza tsy lavitra ny Kaominina Andrano, ny alin’ny alahady teo.
Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka. Raha araka ny loharanom-baovao voaray akaiky ny mpitandro filaminana, dia nifanojo indrindra tamin’ny hetsika fampandriana fahalemana na « opération » nataon’ izy ireo tany an-toerana ny fisamborana ireto jiolahy ireto, ary nentina any Maintirano ireto farany hatao fanadihadiana. Tamin’ny fotoana nahatrarana an’ireto malaso mpamono olona ireto, dia tezitra ny fokonolona tany an-toerana ka nikasa hanao fitsaram-bahoaka tamin’ireo dahalo tra-tehaka, nefa nalaky voafehin’ny mpitandro filaminana ny toe-draharaha.
Eric Manitrisa