- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversBemasoandro Itaosy : Niredareda ny afo, potika tanteraka ny entana

Bemasoandro Itaosy : Niredareda ny afo, potika tanteraka ny entana

Nitrangana hain-trano indray teny Bemasoandro Itaosy ny alin’ny talata 15 jolay lasa teo. Raha ny marimarina kokoa tao amin’ny tanàna antsoina hoe Ambohijafy. Araka ny fanazavana azo dia nanomboka tamin’ny 7 ora sy sasany tany ho any no nitranga ny loza. Fotoana fohy taorian’io no nigadona teny an-toerana ireo mpamonjy voina. Tsy maty tanteraka ny afo raha tsy adiny telo taty aoriana. « Court-circuit » tao ambony rihana no nahatonga ny loza, raha ny fantatra hatrany. Kila forehitra, tsy nisy noraisina intsony, araka izany, ny entana tao ambony, 50 isan-jato kosa ny fahavoazana sy ny fahasimbana nisy tao ambany. Soa fa tsy nisy aina nafoy tamin’ity loza ity.

Mbola io talata io ihany, nisehoana fahamaizana ihany koa teny Ambondrona ny antoandro, tokony ho tamin’ny 11 ora tany ho any. Trano fiasàna ity trano may ity saingy nalaky voafehy ny afo. Ny tompon-trano ihany no namono izany tamin’ny alalan’ny « extincteur », araka ny vaovao re hatrany. Tsy dia betsaka araka izany ny fahavoazana nisy. Manentana hatrany ny mba hitandreman’ny tsirairay ny mpamonjy voina.

Mike L.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser