- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversBemasoandro : Lehilahy mamo, maty voahitsaky ny 4x4

Bemasoandro : Lehilahy mamo, maty voahitsaky ny 4×4

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina, ny teny amin’iny faritr’i Bemasoandro iny, ny talata hifoha alarobia  teo. Rangahy iray manodidina ny 40 taona no namoy ny ainy avy hatrany, raha voahitsak’ity fiara tsy mataho-dalana iray, marika “Land rover”. Araka ny fantatra dia nidaboka toy ny natory teo amin’ny arabe ity rangahy ity. Mazava ho azy fa tsy hitan’ny mpamily ka dia tonga ny loza. Ny fampitam-baovao avy tamin’ireo mpitandro filaminana ihany moa no nahafantarana, fa hoe mamo ity rangahy ity tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza. Mety ho izay angamba no tsy nahitany intsony ilay fiara, izay somary nandeha mafy ihany tamin’io fotoana io. Nandriaka ny rà. Voatetin’ny kodiarana araka izany vatany iray manontolo, ary voadona mafy ihany koa teo amin’ny lohany, antony nahatonga ny fahatesany. Fantatra moa fa mponina eny an-toerana ihany ity rangahy ity. Nentina tany amin’ny tranom-patin’ny  Hjra ny razana natao fizahana. Notazonina nanaovana fanadihadiana tao amin’ny biraon’ny zandary tao Itaosy kosa ilay mpamily nahavanon-doza. Fa tetsy ankilan’izay, zazavavy kely iray ihany koa no maty voafaokan’ny taxi-brousse tetsy Ambohimalaza, afak’omaly hatrany. Efa nentina tany amin’ny hôpitaly moa ny razana ary efa notazonina natao famotorana ny mpamilin’ity fiara ity

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici