Faraparan’ny herinadro teo no nahitana ny faty ny iray, raha mbola tsy hita popoka kosa ny namany. Raha ny vaovao mari-pototra voaray tamin’ireo olona avy any an-toerana, dia teny amin’ny manodidina nisehoan’ny loza no hita faty ny iray, saingy efa vata mangatsiaka no hitan’ireo fokonolona sy ny mpitandro ny filaminana nandritra ny fikarohana. Raha hiverenana kosa ny zava-nitranga dia noho ny fahavakisana tohan-drano hitrandrahana volamena antony nahalasany rano azy roa niaraka tamin’ny namany. Samy nanavo-teana ny rehetra, izy roa ihany no niangaram-bitana. Ny farany herinandro teo no tazana tao anaty vato ny nofo mangatsiaka ilay lehilahy iray. Mbola tsy hita popoka kosa ny namany iray, ka manohy hatrany ny fikarohana.
Ratantely