- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversBenenitra : Ankizivavy nijery valin’ny CEPE, nihetsika ambalavelona

Benenitra : Ankizivavy nijery valin’ny CEPE, nihetsika ambalavelona

Fari-piadidiam-pampianarana maro eto amin’ny nosy no efa namoaka ny valim-panadinana CEPE ny faran’ny herinandro iny. Somary nidina ny taham-pahafahana tamin’ity taona ity raha nitaha tamin’ny taon-dasa. Fa niakatra kely 72,78 % ny tany amin’ny Ciscon’i Benenitra, raha 64,23 % tamin’ny 2015.
Fa tany Benenitra, ny alahady teo, dia ankizivavy iray 11 taona no nihetsika ambalavelona tampoka. Teo am-pijerena ny valim-panadinana CEPE no nihizitrizitra sy nikiakiaka mafy raha nahita ny anarany tsy voasoratra tao anatin’ireo mpiadina afa-panadinana izy. Niakarapoka tamin’ny tany ity tovovavikely ity sady nifotafota rarak’ivy no nivotirika be ny masony. Folo minitra taty aoriana vao niverina ny sainy, ary nilaza ity zazavavy ity fa nahita aloka mainty sady menamasobe.

Raha ny fantatra araka ny vaovao voaray dia ipetrahan’ny “tromba” ity “ajampela” ity, ka raha misy tranga-javatra tena mampalahelo na mahafaly azy loatra dia matetika mihetsika ny aretiny, ary safotra tsy tompon’ny tenany mandritra ny minitra maromaro, sady mirediredy miteny amin’ny teny tsy fantatra, tsy fantatry ny olona na ny fianakaviany ny dikany na ny zavatra tiany hambara.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici