- Publicité -
jeudi, août 7, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBenenitra : Telo mianaka, lasan’ny rano niaraka tamin’ny tranony

Benenitra : Telo mianaka, lasan’ny rano niaraka tamin’ny tranony

Telo mianaka (izy mivady sy ny zanak’izy ireo menavava vao valo volana monja) resin-tory tao an-tranony nandritra ny orambe nijojo, ny alin’ny alahady teo, tany amin’ny distrikan’i Benenitra, no lasan’ny rano niaraka amin’ny tranony, ka mbola tsy hita faty hatramin’izao, na dia teo aza ny fikarohana nataon’ny fokonolona teo an-tanàna sy ireo mponina manodidina amin’ny fokontany manamorona ny reniranon’i Maloto (mitohy amin’ny reniranon’ny Onilahy).  Raha ny fantatra araka ny vaovao voaray avy any an-toerana, dia vokatry ny fiakaran’ny rano no nandraoka ity trano niorina manamorona an’ity renirano ity; izay vita amin’ny bozaka sy fotaka. Nentin’ny rano nivarina any an-drenirano niaraka amin’ilay trano izy telo mianaka niharan-doza tsy hita popoka ireto.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici