Vehivavy iray bevohoka efa-bolana no maty nofirain’ny olon-dratsy tamin’ny famaky, ny alin’ny alahady teo, tany Benenitra. Naratra mafy kosa ny vadiny ary mbola manaraka fitsaboana hatramin’izao. Raha araka ny vaovao voaray dia olona efatra no niditra an-keriny tao an-tranony tamin’io alina io. Tsy nisy ny fanazavana fa tonga dia nampiasa ny zava-maranitra teny an-tanany ireo olon-dratsy. Raha ny fantatra dia lonilony no namonoana an’ireto mpivady. Niaraka tamin’ny lehilahy iray hafa ilay ramatoa tany aloha. Voatery nisaraka tamin’ ity sakaizany taloha anefa izy, noho ity sipany ity mpifoka rongony ary tia misetrasetra. Tsy levon’ny vavonin’ity farany ny nisarahan’ilay vehivavy taminy, nanambadian-dramatoa olon-kafa lasa rafiny, ka nitondra bandy telo hafa izy nanampy azy tamin’ny asa ratsiny. Nitsoaka ireo nahavanon-doza ary mbola karohina hatramin’izao, raha ny loharanom-baovao azo farany.
Eric Manitrisa