Ny sabotsy teo no tonga tao amin’ny OVEC Alanajirofo ny kandida ben’ny Tanana Atoa Sambiamanana Bola Aldiel sy ireo mpanolon-tsaina mpiara-dia aminy, nanatitra ny filatsan-kofidiany ho ben’ny Tanana ao Fenerivo Atsinanana. Tsy nisy ny olana nandritra izany fa teo amin’ny fikarakaraka ny antontan-taratasy no nanahirana hoy izy noho ireo pitspitsony takiana amin’ireo kandida. Amin’izao ankatroky ny fahataperan’ny fametrahana ny filatsahan-kofidiana izao, dia mbola ity tokana ity ny ao Fenerivo Atsinanana hatramin’izao. mpahay momba ny teo-karena teo anivon’ny oniversiten’I Toamasina ny tenany, ka ny traikefa noratoviny no entiny hanatsarana ny tananan’I Fenerivo Atsinanana amin’ny zanaky ny Tanana azy. Nambarany koa fa ny fampitomboana ny vola miditra ao anatin’ny kitapom-bolan’ny kaominina ahafahana miatrika ny olana samy hafa no tanjona aminy. Ny fikambanana Sambiamanana no nadrotraka azy ho kandida tamin’ny firotsahany ho fidianana ben’ny Tanana izao; efa vonona avokoa ireo ekipa amin’ny fampandaniana azy ho ben’ny Tanana, ary ao amin’ny fokontanin’ny Sahavola Fenerivo Atsinanana no misy ny foiben’ny fikambanana izay efa manofana tanora amin’ny fanamboarana savony.
Malala Didier