- Publicité -
jeudi, octobre 9, 2025
AccueilFaits-DiversBen’ny tanànan’Antsiatsiaka Analanjirofo : Nomelohan’ny fitsarana sazy miantona roa taona

Ben’ny tanànan’Antsiatsiaka Analanjirofo : Nomelohan’ny fitsarana sazy miantona roa taona

Niakatra fitsarana ary namoahan’ny mpitsara didy ilay raharaha nanenjehan’ny fitsarana azy noho ny fitoriana nataon’olona azy nidaroka vehivavy bevohoka izay afa-jaza mihitsy tamin’izany. Vokatra izany didy nivoaka teo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany Fenerivo atsinanana izany, dia voasazy roa taona sazy miantona sy mandoa onitra telo tapitrisa Ariary amin’ny mpitory ingahy ben’ny tanànan’Antsiatsiaka Atoa Randriamanana Jean Fidel. Roa ny fitoriana tonga sy nitsarana ny ben’ny Tanana, dia resaka vono sy ratra natao tamin’ny renim-pianakaviana bevohoka izay afa-jaza, satria raha voasambotry ny polisy monisipaly ilay ramatoa dia nampidirina “violon” sy nodarohana raha nesorina ny lambany. Nisy ny fihainoana ity ramatoa ity teny amin’ny zandary ka nisamborana ilay ben’ny Tanàna niatrika fitsarana sy voasazy roa taona sazy miantona sy onitra telo tapitrisa Ariary. Ny fitoriana faharoa dia fanagiazana fitaovana fitrandrahana volamena sy fakana vola tamin’ireo mpitrandraka volamena ireto. Nivoaka ny fonja nihazonana azy ny ben’ny tananan’Antsiatsiaka, saingy miatra avy hatrany aminy ny didy navoakan’ny fitsarana.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici