Raha ny marina satria efa manana biraom-pitsarana ny distrikan’i Fenorivo atsinanana, dia tokony tao ihany no niakatra fampanoavana ny fitoriana natao tamin’ny ben’ny Tanàna Atoa Manirisoraly Stewen Miany na “Moustapha”, amin’ny fitorian’ny mpanolontsaina azy ho nanodikodim-bola teo anivon’ny kaomininan’i Fenorivo atsinanana. Noho ny fandaminana anefa dia atao eto Toamasina tsy ho ela izany raharaha fiakarana fampanovana ny ben’ny tanàna izany; satria somary henjana ny raharaha mikasika ity ben’ny Tanàna ity.
Ny alarobia 23 jona teo no tokony nikaran’ny raharaha fampanoavana, nefa tonga ny tamin’ny 10 ora sy sasany dia niova indray izany ny alarobia io fa atao eto Toamasina ny fiakarana fampanoavana ho an’ity ben’ny Tanànan’i Fenorivo atsinanana ity sy ireo voarohirohy niaraka taminy. Araka ny fanazavana dia raharaha teo anivon’ny birao mahaleo tena teto Toamasina izao hiakaran’ny ben’ny Tanàna ao Fenorivo atsinanana sy ireo efatra mianadahy voarohirohy nisarigotra taminy izao. Resaka fampiasana volam-panjakana maro ny raharaha manenjika azy izao, isan’ireny ny volan’ny mpiasa tsy naloany, ny fomba fanaovana tolo-bidim-panjakana amin’ny asa atao, ary fanomezana asa olona manokana. Teo koa ny fampidirana mpiasa sy fakana vola eny amin’ny tsena tsy misy taratasy mana-marina izany (quittance); izay nahatafiditra ny lehiben’ny fitantanam-bolam-panjakana ao Fenorivo atsinanana any an-toerana. Raha nanontaniana mikasika ity raharaha manenjika azy sy ny fampiatoana ny fampakarana ny raharaha teny amin’ny fampanoavana ny ben’ny Tanàna dia nilaza izy ny hangina alohan’ny fahavitan’ny famotorana eny amin’ny fampanoavana ity, izay fantatra fa hatao eto Toamasina indray araka ny fangatahan’ny Bianco satria eto Toamasina no misy ny fitsarana momba ny ady atao amin’ny toe-javatra toy izao.
Ankoatra izany anefa dia mbola mitohy hatrany ny fakan’ny Bianco am-bavany ireo mpiasan’ny kaominina tsy nandray karama tao anatin’ny 12 volana, sy ny didy noraisin’ny mpanolontsaina miangavy ny fanjakana amin’ny fampiantoana ity ben’ny Tanàna ity amin’ny asany. Ho hita eo izany ny tohiny ity raharaha ity amin’ny fiakarana fampanoavana ny fitsarana ambarantonga volaohany eto Toamasina ity sy ny didy mety hivoaka…
Malala Didier